Politique

CUA sy Région Ile de France Hamaritra laharam-pahamehana vaovao


  • Talata 21 Jona 2016

Nifantoka tamin’ny lafiny fitaterana, ny fihariana ara-pambolena ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny samihafa ara-tsosialy ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanŕnan’Antananarivo Lalao Ravalomanana

 

 sy ny Delegasiona avy amin’ny Région Ile de France, notarihin’ny tale jeneraly lefitra Jack Beltrand, omaly tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Maika, na marolafy aza, ny sehatra hiaraha-miasa satria ny fampirantiana ny asam-pikarohana sy ny sehatra efa niaraha-niasa nandritra ny 20 taona mahery no tsy maintsy iaingana manomboka izao. Nanipika ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa ilaina ny fiaraha-mikaondoha manodidina ireo sehatra ireo mba hamaritana ny laharam-pahamehana manomboka izao. Amin’ny herinandro ambony no hanatanterahana izany. Hojerena manokana ny fitaterana sy ny fanatsarana azy hialana amin’ny fitohanana. Eo koa ny fanajariana ny fambolena sady famoronana asa mahavelona, mampidi-bola isan-tokantrano. Tsiahivina fa manolotra teknôlôjia hiaraha-miasa amin’ny tanànan’Antananarivo hampanjariana sy hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina eto an-drenivohitra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Région Ile de France sy ny CUA.

 

Nangonin’i Jean D.

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT