Manga ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy Afrika Atsimo.
Tonga nitsidika ny Ben'ny tanàna Lalao Ravalomanana omaly zoma 8 aprily ny Ambasadaoron'i Afrika Atsimo Ramatoa Maud Vuyel Wa Dlomo. Niarahaba ny Ben'ny tanànan'Antananarivo tonga eo amin'ny fitantanana ny renivohitr’i Madagasikara ny tenany nandritra izany ka naneho hatrany ny faniriany hiara-kiasa. Notsindriany manokana ny fanampiana ny vehivavy sy ny ankizy, indrindra amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy ara-panabeazana. Ankoatra izay dia fanirian-dRamatoa Ambasadaoron’i Afrika Atsimo ihany koa ny hampifandraisana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amina kaominina matanjaka vitsivitsy any Afrika Atsimo. Teo am-pamaranana ny teniny moa no nanambarany fa manamora ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta ny maha samy vehivavy ny mpitantana tahaka izao. Nanotrona ny Ben'ny tanànan'Antananarivo nandritra ny fihaonan’ny roa tonta ny Talen'ny kabinetra Rakotoarivony Jean Pierre.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.