Tafavoaka ihany rehefa saika namoy ny ainy tany Fiadanana, Distrikan’i Mananjary, FaritraVatovavy Fitovinany ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita Sylberman, avy amin’ny Hery Politika Mitambatra.
Efatra andro sy efatra alina ny tenany no notazonin’ny mpitandro ny filaminana tany an-toerana nofatorana rojovy tao anatina trano nambenana olona mitana zava-maranitra. Hijery ny fahorian’ireo vahoaka any an-toerana anefa no anton-diany tany, araka ny fitantarany sy ireo mpikambana namany ao amin’ny HPM, araka ny iraka laharana 151 CT/ P avy tamin’ny minisitry ny harena ankibon’ny tany. Trano roa no may, niampy trano telo hafa noravana no novantanin’ity CT ity tany an-toerana, araka ny fitantarany mba hahafahan’ireo mpitrandraka manao ny hataony. Ny nampalahelo anefa hoy i Sylberman dia mpitandro ny filaminana tokony hiaro ny fahamarinana indray no nanome baiko ny hampitifitra azy. Mbola namatotra azy tamin’ny rojovy ihany koa ary saika tsy namotsotra azy raha tsy noho ny ezaky ny HPM sy ny fiparitahan’ny vaovao. Ny 20 aprily lasa teo no nitrangan’izany raha tsiahivina. Nambaran’ny minisitry ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Manantsoa Victor sady Sekretera jeneralin’ny HPM fa tokony hapetraka mazava ny rafitra hitrandrahana ny harena ankibon’ny tany sy an-dranomasina eto amintsika, indrindra amin’ny Repoblika faha-4 mba hisorohana ny gaboraraka tahaka izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.