Politique

CT sy CST Zanak’i Dada Hiala amin’ny tetezamita ?


  • Alakamisy 12 Jolay 2012

Hanao fanambarana lehibe ao an-kianjan’ny Magro Behoririka ireo mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita (CT) sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST), 87 mianaka, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana amin’ny sabotsy 14 jolay izao.

 Tsy tongatonga ho azy ny safidy io daty io fa dia mifanojo indrindra amin’ny fetim-pirenena Frantsay. Lojika izany fa dia tsy ho avy amin’ny fanasana eny Ivandry ireto farany raha nahazo izany. Baraingo kosa ny fanomezana hatolotr’izy ireo amin’io andro io. Ny zava-misy dia nampiantona ny fandraisan’anjarany amin’ny fivoriana eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza sy Anosikely ireto Parlemanteran’ny tetezamita Zanak’i Dada ireto nanomboka ny 01 mey 2012, nanombohana ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Parlemanta. Faramparany teo koa dia re fa notapahana ny zon’ireto Parlemantera ireto, raha ny ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Etsy ankilan’izay dia mitarazoka ny fampihaonana mivantana ny filoha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, na dia eo aza ireo fanerena sy fampahatsiahivana matetika tao anatin’ny iray volana nataon’ny ankolafy Ravalomanana mikasika izany. Ny lojikan’izao anefa dia manosika ireto Parlemantera Zanak’i Dada ireo hiala tanteraka amin’ny fiaraha-mitantana ny tetezamita. Izay ve no hambara amin’io sabotsy io sa zavatra hafa ? Samy miandry ny rehetra.

Araka ny fantatra dia tsy hivoaka ny vala izy ireo, na re aza fa misy fiantsoana vahoaka ataona firohotana hafa ho eny Ambohijatovo eny amin’io sabotsy 14 jolay io. “Lasa ny saina, inona no hataon’ny Sadc ? Sao lasa sakana ho an’ny fihaonana indray ny zavatra hiseho eo ?”, hoy i Zafilahy Stanislas, tao amin’ny Magro Behoririka omaly. I Mektoub El Camille indray kosa nampahatsiahy fa “resy lahatra daholo ny rehetra fa tsy lasa intsony ity fitondrana FAT ity”. Nampian’i Mamitiana Ravelonanosy, fa “Sady tsy ara-dalàna ny FAT no efa aloan’ny vahoaka ihany koa”. “Milatsaha hofidiana mihitsy, hafantaranareo hatraiza ny fitiavan’ny vahoaka anareo”, hoy izy nanohy ny teniny. Rehefa izay dia i Mektoub ihany no nilaza fa “ny fianakaviambe iraisam-pirenena dia mahalala fa ity tolona ity no lakilen’ny famoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy, nefa raha tsy mbola tapaky ny vaventy dia mbola mijanona an-kianja isika”. Dia samy miandry izay fanambarana hivoaka amin’io sabotsy io izany ny rehetra !

 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT