Politique

CT sy CST Toamasina Nanao velirano hiaro ny tolona


  • Alatsinainy 12 Desambra 2011

Taorian´ny fiatoana kely in-droa sabotsy, dia niverina indray ny hetsika eo an-tokotanin´ny Magro Tanambao V ny sabotsy teo.

 Tonga niatrika izany ireo mpitarika hatramin´izay, afa-tsy ny filohan´ny rodobe Atoa Kotomanantsoa Rémi izay tsy ao Toamasina. Tonga tao avokoa ireo mpikambana vaovao ao amin’ny Kongresy nivoaka avy amin’ny Rodobe Toamasina dia i Justin sy Iandro Robertson, teo koa ny mpikambana vaovao ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Me Rasamimaka Mahefalahy, mpandrindra ny Ankolafy Ravalomanana tao Toamasina. Tazana ihany koa ny teo anivon´ny ankolafy Ratsiraka notarihin´Atoa Dahy Emilien, ary ireo mpikambana ao amin’ny biraon´ny rodobe Toamasina.

Nitarika izany Rtoa Mahasahy Chantal. Nandritra ny fihaonana dia nisy ny velirano nifanaovana sy toky hentitra natao fa ny hidirana ao anatin´ny fitondrana tetezamita dia efa tenierana, ny tanjona dia zavatra telo ihany dia ny famoahana ny gadra politika rehetra, fahalalahana miteny sy fanokafana ireo haino aman-jery nakatona noho ny antony politika rehetra, ny fanarahana ny tondrozotra marina ka lohalaharana amin´izany ny famerenana tsy misy hatak´andro ireo sesitany politika rehetra, anisan’ireny ny filoha Ravalomanana. Hentitra ireto parlemantera avy amin´ny Rodoben´i Toamasina ireto nilaza fa ny tsy fanarahana ny fepetra dia mitarika avy hatrany ny fialana tsy eo anivon´ny Parlemanta. Nahitsy koa anefa ireo Parlemantera fa “fetifety foana no ataon´ny FAT momba io tsingerintaona voalohan’ny Repoblika faha-04 io. Ny fanaovan-tsonia ny tondrozotra ihany no efa mampihantona na manafoana azy io, nefa dia andaniam-bola ny fanakalazana azy. Izany, hono, no manao fitsitsiana amin´ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Midika avy hatrany izao fa mbola mametraka ny maha mpanongam-panjakana sy mametra-tena ho filohan´ny Malagasy tsy nisy nifidy ingahy Andry Rajoelina”. Ankoatra izay, anio 12 desambra dia hisy ny fanomanan´izy ireo fety manokana ho fahatsiarovana ny nahaterahan´ny filoha Ravalomanana ao Toamasina.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT