Politique

CT sy CST Lasa mpanangona fanampiana


  • Alakamisy 20 Septambra 2012

Dia hafakely mihitsy ny zava-misy eto Madagasikara eto fa lasa mpanangona fanampiana indray izao ny parlemantera ao amin'ny CT sy ny CST.

 Asa na tsy mahalala tsara ny tena asany sy andraikiny izy ireo, fa toa misalovana ny anjaran’ny hafa izany. Ny fahefana mpanatanteraka, dia ny governemanta no manao ny asa mivantana miantraika amin'ny vahoaka. Raha misy loza voajanahary ka misy traboina, na misy ady ka misy mpitsoa-ponenana dia andraikitry ny governemanta no manao ny asa rehetra mikasika izany, isika rahateo manana ministeran'ny Mponina, ny Fiarovana, ny Filaminana anatiny eto ary misy ministeran'ny vola ka afaka mifampiresaka ny tompon'andraikitra isan-tokony ao amin'ireo ministera ireo dia manangana karazana vaomiera manokana, natokana handray an-tanana ny asa atao any atsimo. Afaka mangataka fanampiana amin'ireo ONG maro be misy eto, tahaka ny fikambanana Fitia tarihan-dRamatoa Mialy Rajoelina, ohatra, na amin'ny fikambanana iraisam-pirenena tahaka ny PAM, Unicef, OMS ny governemanta raha sahirana.

Fa tsy anjaran'ny fahefana mpanao lalàna mihitsy no mijabaka amin'izany ! Tsy fahaizana sy tsy fahalalana ve no mahatonga izany sa fitiavana mba te hisongadina fotsiny, ho fanomanana ny propagandy ? Efa nitsipaka marin-drano ny hanaovana fivoriana tsy ara-potoana faha-6 ny governemanta Beriziky, dia mbola misisika ihany ireto mpikambana CT sy CST, fa mba te hanao zavatra, hono. Dia lany andro amin'ny adihevitra momba ny fananganana komity no sady mandany andro sy vola mampiantso mpanao gazety izy ireo. Raha tena hiasa nahoana no tsy tonga dia mandefa delegasiona mafonja any Betroka sy ny manodidina mijery ny zava-misy any sy manara-maso ny asan'ny mpitandro filaminana, fa tsy manao be lazao eto Antananarivo eto fotsiny. Hatramin'izay dia matetika diso, ny fandraisana ilay hoe solombavambahoaka na solontenan'ny vahoaka eto amintsika, dia io tsy mbola niova io ilay izy fa te hanao ny asan'ny fahefana mpanatanteraka ny fahefana mpanao lalàna. Izy ireo aza moa tsy mahalala tsara ny tokony hataony ka tsy mahagaga raha mitombo ny fandikan-dalàna eto.

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT