Politique

CT Sazalahy Tsianihy “Asan-jiolahy ny fanonganam-panjakana”


  • Talata 16 Aprily 2013

Asan-jiolahy ny fanonganam-panjakana satria tsy manaja ny hasina maha olona izany, hany ka mihavery hasina ny firenena iharan’izany amin’ny lafiny rehetra, hoy ny CT Sazalahy Tsianihy avy amin’ny Ankolafy Ravalomanana.

 Toy ny misy eto Madagasikara : ireo olona nanongam-panjakana voasazy eo amin’ny iraisam-pirenena nefa ny vahoaka Malagasy sy ny firenena no mibaby ny tsy eran’ny ainy amin’izao fotoana izao. Ireo olona mpanongam-panjakana nampitondra faisana ny vahoaka indray no mifanandrina sy mifandramatra ary miady toerana sy fahefana tsy tahotra tsy henatra. Inona no nataony teo efa-taona ? Manjaka ny asan-jiolahy sy ny fanafihana manerana ny Nosy. Maro ireo very fananana sy namoy ny ainy. Tsy voaaro ny ain’ny olona sy ny fananany. Latsaka lalina anaty fahantrana ny mpiara-belona. Tsy ara-dalàna ny fitantanan-draharaham-panjakana fa sady tsy madio no tsy mangarahara. Manjaka ny tsolotra sy risoriso eo amin’ny fanadinam-panjakana. Olom-bitsy no mitango ny harem-pirenena. Raha hiroso amin’izany fifidianana izany amin’ity taona 2013 ity, dia arosoy aloha ny orimbaton’ny fampihavanam-pirenena tarihan’ny FFKM, hoy ny CT Tsianihy, hisian’ny fitoniana hivoahana amin’ny krizy fa mijaly sy sahiran-tsaina ny vahoaka. Avoahay ireo gadra politika, avereno ireo sesitany politika, sokafy ny haino aman-jery nakatona.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT