Politique

CT Razanakoto Marcellin sy CT Besady I Houssen Ali sy Ratsimbazafy Jean Paul no nasolo azy ireo


  • Zoma 17 Febroary 2012


 Nambara ofisialy tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly ny fanoloana ireo mpikambana teo aloha ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita dia ny filohan’ny Kongresy teo aloha Raharinaivo Andrianatoandro nametra-pialana sy ny CT isany Razanakoto Marcellin sy Besady nesorin’ny vondrona Les AS tamin’ny toerany, araka ny didim-panjakana laharana 2012-213 sy ny 2011-708 tamin’ny 1 desambra 2011 nanafoana ny 2010-852 tamin’ny 8 oktobra 2010 nanendrena ny teo aloha. Randrianarivelo Fidimalala (Talen’ny kabinetrany) no fantatra fa nasolo an-dRaharinaivo Andrianatoandro. Nasolo ny CT Marcellin sy Besady kosa Ratsimbazafy Jean Paul (AV7) sy Houssen Ali (Rpsd Vaovao). Ity farany tazana nifamihana sy nikorana fohy tamin’ireo namany CT avy any Toliara taorian’ity fanambarana ofisialy ity dia nilaza fa faly dia faly i Toliara iray manontolo amin’izao fanendrena izao satria hitany fa olona nitolona no voatendry satria izaho dia filohan’ny Toliara Mijoro, ary mpikambana ao amin’ny Les As tarihan’i Voninahitsy Jean Eugène.
Rainilita

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT