Politique

CT Razanakoto Marcellin Niala tsy ho mpikambana ao amin’ny Les AS intsony


  • Talata 31 Janoary 2012

Taorian’ny nanomezany fe-potoana 24 ora mba hialan’ny filohan’ny FAT Andry Nirina Rajoelina tsy ho filohan’ny tetezamita intsony dia niala tsy ho mpikambana ao amin’ny Les AS (Les Autres Sensibilités) ny CT Razanakoto Marcellin niaraka tamin’i Mamod Hussen na i Besady.

 Noho ny tsy fitovian-kevitr’ireto farany amin’ireo mpikambana ao amin’ny Les AS no antony nandraisany izao fanapahan-kevitra izao. Amin’izy ireo mantsy dia efa fotoana tokony hialan-dRajoelina amin’ny toerany izao noho ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena. Ho an’ny Les AS kosa, tarihin’ny filoha nasionaliny, Voninahitsy Jean Eugène dia tsy mivadika amin’ny filohan’ny FAT izy ireo satria anisan’ny antoko niady mafy ho amin’ny fametrahana ny fitondrana tetezamita.

Na izany aza, hoy ihany ity filohan’ny Les AS ity dia nanao sonia ara-dalàna ny tondrozotra izy ireo ary manaiky ny hanatanterahana izany an-tsakany sy an-davany saingy tsy ekena kosa ny fisian’ny endrika fanakorontanana na ho an’ny antoko any ivelany izany na ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Les AS. Hisokatra ho an’ny antoko hafa indray, araka izany, ny toeran’ireto mpikambana roa izay nametra-pialana ireto manomboka izao. Nambaran’ny CT Razanakoto Marcellin moa fa zavatra maro loha no tsy tantiny, anisan’ireny ny resaka “bois de rose”, antony iray hafa nisintahany tsy ho mpikambana ao amin’ny Les AS intsony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT