Politique

CT Razafindramasy Razafimbola Miantso ny mpianatry ny oniversite ho tony


  • Zoma 16 Septambra 2011

Mahatsiaro ho manana andraikitra tanteraka izahay mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, hoy ny CT avy eto Analamanga Razafindramasy Razafimbola, ka miantso an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra eto Madagasikara ho tony, indrindra ny any Barikadimy Toamasina.

 Mampita ny hafatra ho an’ny besinimaro ihany koa izahay, hoy izy, indrindra ireo olobe amin’ny tanàna, ireo raiamandreny isan-tsokajiny mba hiaraka hisalahy samy handray andraikitra ka hitondra hafatra am-pahendrena sy am-pahatoniana ho an’ireo zanaka iombonana hoavin’ny firenena ireo. Tsy hiandrasana ny fanjakana izany fa atrehana avy hatrany, hoy izy. Aoka mba tsy ho fanambarana politika foana no homena vahana eto amintsika fa atrehana koa ny fanambarana ara-tsosialy tahaka itony, hoy ity CT ity namarana ny teniny.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT