Politique

CT Razafimahaleo Mamy “Ny tondrozotra iarahana amin’ny SADC ihany !”


  • Zoma 09 Septambra 2011

Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena tao Ambositra ny alarobia 07 septambra teo ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Dr Mamy Razafimahaleo, mpikambana ao amin’ny antoko Leader Fanilo.

 Manoloana ny fanambarana nataon’ny filohan’ny FAT fa hosoniavina tsy hiandrasana ny SADC ny tondrozotra nasiam-panitsiana dia nilaza ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity fa «tokony hirosoana haingana ny fanaovan-tsonia saingy mila iarahana amin’ny SADC satria izy ireo no namolavola iny tondrozotra iny, ary ny SADC koa no mampitarazoka sy mampihisatra ny fikaroham-bahaolana eto amitsika”. Ny mpitondra indray, hoy ihany ny tenany dia tokony hampirisihana mba hanaraka haingana ny paikady rehetra hialan’ny vahoaka Malagasy amin’izao krizy sy fahantrana izao nefa mila finiavana avy amin’izy ireo ny fanatanterahana izany. Mikasika ireo fifidianana hatao indray dia nilaza Razafimahaleo Mamy fa tokony hirosoana izany raha ny hevitry ny antoko Leader Fanilo saingy tsy atao amboletra sy ankamehana. Araka ny heviny manokana dia ny fifidianana solombavambahoaka no tokony hatao mialoha satria io no rafitra ahafahana mametraka ny ara-dalàna sady ahafahana mifanerasera amin’ireo mpamatsy vola vahiny.

 

Rado

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT