Aelin’ny sasany any Ambatondrazaka any, hoy ny CT Rasoamalala Brenda, fa mivaky roa izany ny Tiako I Madagasikara (TIM) any an-toerana.
Ny Tiako i Madagasikara izany amin’izao fotoana izao, hoy izy, dia tsy misy ankoatra ny tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana. Misy ireo mitarika ny antoko eto Madagasikara izay tsy iza fa Atoa isany Mamy Rakotoarivelo sy Ravatomanga Roland ary Botozaza Pierrot. Ireo olona telo ireo ihany no miandraikitra ny TIM eto ary izy ireo indray no nametraka taminay CT Brenda any Ambatondrazaka hoe : atsangano amin’izay ny tena TIM any aminareo fa be ireo olona nanan’elatra, be ireo olona nania, be ireo misoloky ka izany no antony nanavaozana azy io.
Mbola aely any Ambatondrazaka any koa fa hoe hisy fifidianana izany indray amin’ny volana novambra, hoy ny CT Rasoamalala Odette. Ambarako etoana, hoy ity farany, fa tsy hisy izany fanovana ny daty navoakan’ny CENIT ofisialy iny izany ka amin’ny 8 mey 2013 ny fifidianana filoham-pirenena, ny 3 jolay 2013 ny fifidianana parlemantera sy ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena ary amin’ny 23 oktobra 2013 no fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina. Koa aza miroaroa saina amin’izany isika. Hamafisiko fa ho avy ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny CT Rasoamalala Brenda. Ho avy tsy handrombaka an-keriny fanjakana fa hitondra ny antoko hiatrika fifidiana fa olona hirotsaka hofidiana rahateo izy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.