Politique

CT Rarison Hilarion Vahaolana ho an’i Fianarantsoa ny fialan’i Pety


  • Zoma 26 Jolay 2013

Ny vahaolana tsotra indrindra ho an’i Fianarantsoa, hoy ny CT Rarison Hilarion voatendry avy amin’iny Faritr’i Matsiatra Ambony iny, dia ny fialan’ny PDS Pety Rakotoniaina.

Ny tsy fahaizany mitantana no tsy nandraisan’ny mpiasan’ny Kaominina karama 11 vola be izao. Nampananantena Rajoelina, hoy izy, raha nitokana hopitaly manara-penitra tany fa haloa izany nefa aiza izay eo ? Avereno amin’ny toerany Rabearison, Ben’ny tanàna voafidim-bahoaka nosoloina olona voasazy, hoy ity CT ity fa izao fitondrana kitoatoa izao no nahatonga ny firenena hikoroso tahaka izao. Tany tsy misy demokrasia izany eto amintsika fa tapitra nogadrain-dRajoelina avokoa ny sokajin’olona rehetra na sivily na miaramila na mpitondra fivavahana … kandidà filoham-pirenena no farany izao izay nahamenatra eo imason’izao tontolo izao ny nanaovana azy, tsy misy fanajana zon’olombelona. Ireny tranga rehetra ireny dia manaporofo fa tena mila fihavanana ny Malagasy, hoy izy, ary ny famahana ny krizy eo amin’ny sehatr’i Andry Rajoelina dia ny mampody an’i Marc Ravalomanana.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT