Nopotehin’ny mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ny fiainan’i Fianarantsoa manontolo, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Rarison Hilarion.
Vokatr’io fanonganam-panjakana io, hoy izy, dia tsizarizary ny arabe ao an-tampon-tanàna sy ny lalam-pirenena faha-7. Tsy voaloa koa ny karaman’ny mpiasan’ny Kaominina Fianarantsoa ambonivohitra nahatratra sivy volana hatramin’izao. Na dia nisy delegasiona nandeha nanetsika izany aza taty Antananarivo dia nody maina. Ka manery ny ministera tompon’andraikitra ny tenanay Rarison Hilarion, hoy ity CT ity, handoa an’io karaman’ny mpiasa io fa mijaly ny fianakaviana manontolo.
Ny vola anefa toa misy ihany (hetra miditra, haban-tsena …). Mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena hatrehana ato ho ato dia mety amin’ny Ankolafy Ravalomanana ny nahabetsaka an’ireo kandidà nirotsaka ho mpifaninana, hoy ny CT Hilarion, ny 47 amin’izy ireo mantsy dia mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 daholo, mpitarika olona an-dalambe na mpamatsy vola ... Midera ny filoha Marc Ravalomanana ny tenako, hoy izy, amin’ny nanambarany an’i Neny Lalao Rakotonirainy Harivelo ho kandidà satria olon’ny finoana izy ary nampitambatra ny ankolafy Ravalomanana iray manontolo noho izy kandidà tokana. Voafehy tao anatin’izany ny mpitarika sasantsasany na dia nisy nanam-pikasana ny hilatsaka aza ka matoky izahay fa tena ho “1er tour” tokoa de ho vita ny resaka ka “Roso toy tsa mipody koa”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.