Raha nandray fitenenana ny CT Randrianasolo Nicolas omaly nandritra ny fivoriana nitambarambe nandinihan’ireo mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ny volavolan-dalàna 001-2012 mikasika ny Filankevitra mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI ka nametra-panontaniana tahaka ireo namany tamin’ny minisitry ny atitany tonga nanazavana ity volavolan-dalàna ity, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy, dia nanao fanamarihana tany amin’ny faran’ny teniny hoe : “Efa mahazo micro aho ity Atoa filoha ka hararaotiko koa ny hiteny aminao eto imason’ireto namana fa tamin’ny kabary voalohany nataonao teto tamin’ny nahalany anao ho filohan’ity Kongresy ity dia nilaza ianao fa ho filohan’ny mpikambana eto amin’ny Kongresy manontolo ny tenako fa avelako any aloha ny maha mpitarika ny ankolafy Ravalomanana ahy”.
Dia nanazava teo izy fa toa tsy izay no niseho teny Iavoloha fa nivaona tamin’ny nifanarahana ny filoha Mamy Rakotoarivelo. Dia nisy ningonongonona tahaka ny teny Iavoloha tao Tsimbazaza tamin’io omaly io saingy tsy nisy vely labatra na sotro sy lovia kosa. Dia nofaranan’ny CT Nicolas tamin’ny fampieritreretana ny rehetra moa ny teniny fa efa mijaly tanteraka ny vahoaka ankehitriny ka tokony hamela ny hambom-po diso toerana isika eto amin’ny Kongresin’ny tetezamita ka hiray hina hamarana ity tetezamita ity ka hiroso amin’ny fibanjinana ny fifidianana amin’izay. Marihina fa tsy vita fa ahemotra anio maraina amin’ny 9ora ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity noho ny fangatahan’ireo CT fa hariva ny andro nefa ny fandriampahalemana efa iaraha-mahalala eto Iarivo.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.