Politique

CT Randrianasolo Jean Nicolas Fitiavan-tena no mibahan-toerana amin’ny mpanao politika


  • Talata 20 Martsa 2012

Variana mitady tombontsoa fotsiny ny mpanao politika fa tsy mijery ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka.

 Izay no nambaran’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Betroka raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tany Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo. Tokony hahalala manome ho an’ny vahoaka, hoy izy ny mpanao politika satria ny vola avy amin’ny vahoaka no hanakaramana azy ireo. Mila ovana, hoy izy, ny fanaovana politika eto Madagasikara raha tiana handroso haingana ny firenentsika. Aminy dia tsy misy fiantraikany velively amin’ny vahoaka na tanteraka na tsia ny fampiharana ny tondrozotra, fa ireo mpanao politika no mifandrirotra samy te hahazo toerana noho ny tombontsoany. Tsy manana fifandeferana ny mpanao politika eto amintsika ka izany no nahatonga ny tsy fahombiazan’ireo fifanarahana maro be tany aloha tany. Nasiany resaka manokana ny mahakasika ny fitantanan-draharaham-panjakana ankapobeny, izay nilazany fa betsaka ireo manao valala an-karona ka miteraka fihemorana eo amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Tsy maintsy misy ny indro kely, hoy izy, kanefa tokony hahay hifampihaino ny mpanohitra sy ny mpitondra, mba hisian’ny fampandrosoana tena izy ny firenena. Betsaka amin’ireo namana ao amin’ny Parlemantera, hoy Randrianasolo Nicolas no variana mitaky tombontsoa mihoapampana kanefa tsy mba hita mijery ny sosialim-bahoaka.

Tokony ho ny sosialim-bahoka, hoy ny CT Nicolas no atao laharam-pahamehana raha tena misy fitiavan-tanindrazana ny mpanao politika. Ny mampalahelo anefa hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity dia variana mihinan-kanina fotsiny ny ankabeazan’ny mpanao politika amin’izao tetezamita izao. Manahy izy fa tsy hisy fifidianana ho vanona izany amin’ity taona ity raha mbola mitohy izao fifandroritana eo min’ny mpanao politika izao. Faniriany anefa ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity na dia iray ihany aza ka ny fifidianana solombavabahoaka no hanombohana izany. Hafatra napetraky ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Betroka ity ny tokony hanamboarana ny lalàna manerana an’i Madagasikara ka anisan’izany, hoy izy ny RN13 sy ny RN 44. Ankoatra izay ny fampiroboroboana ireny orinasa fampindramam-bola madinika ireny. Ireo ihany, hoy ny CT Nicolas no antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Niry A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT