Politique

CT Randrianantenaina José Tsy misy tokony hihemoran’ny fifidianana


  • Alatsinainy 27 Mey 2013

“Efa tongotra mby an-dakana ny Zanak’i Dada eto Antsirabe sy Vakinankaratra amin’ny fampandaniana an’i Neny ka tsy hihemotra intsony izahay”, hoy ny CT Randrianantenaina José raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ny tenany ny faran’ny herinandro teo.

 Nambarany fa hikendry ny “1er Tour dia vita” indray izy ireo ka milofo mafy ny amin’izany amin’ny fametrahana ny paikady samihafa. Nambarany fa manana ny olona rehetra hanohana azy i Neny ary eo koa ny mpikatroka ifotony izay miandry fotsiny ny fanetsehana azy ireo. Ankoatra izany dia efa vonona avokoa ireo kandidà amin’ny fifidianana rehetra ho an’ny antoko Zanak’i Dada ity amin’izao fotoana.

Manohitra ny mety ho fanemorana ny fifidiana moa ity solombavambahoakan’Antsirabe II teo aloha ity noho ny fahitany fa misy andian’olona mikendry ny tsy hisian’ny fifidianana amin’izao fotoana izao noho ny tahotra fifidianana. Nambaran’ny CT Randrianantenaina José fa hatramin’izao dia tsy misy antony tokony hihemoran’ny fifidianana intsony ary raha ny ankolafy Ravalomanana dia efa vonona ny kandidàny izay efa nankatoavin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana rahateo ny filatsahany ka tsy misy antony hisintonana izany intsony fa ny fifidianana no aoka hitsara azy.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT