Politique

CT Randrianantenaina José “Tsy hisy fifidianana raha tsy misy fampihavanana”


  • Sabotsy 20 Jolay 2013

Anisan’ny nanaitra ny maro ny tsy mbola nahitana ny lisitry ny kandidŕ solombavambahoaka avy amin’ny antoko Zanak’i Dada ao Vakinankaratra, indrindra fa ho an’Antsirabe voalohany sy faharoa ka nezahana nanontaniana an’Atoa Randrianantenaina José, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita no sady mpandrindram-paritr’ity antoko ity ao Vakinankaratra.

Nambarany mazava fa efa vonona tanteraka ny filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka ho azy ireo ary manana kandidà izy ireo manerana an’i Vakinankaratra saingy efa ireny niaraha-nahita ireny ny zava-nisy satria tsy raikitra ny fifidianana ka dia miandry fotsiny ny fivoaran’ny raharaham-pirenena izy ireo ka rehefa mazava ny tetiandro dia apetraka fotsiny sisa ny antontan-taratasy. Nambarany fa raha ny zava-misy amin’izao dia mbola mampametra-panontaniana ny hisian’ny fifidianana hilamina izany raha tsy vita ny fampihavanam-pirenena tena izy. Mahakasika ity farany dia tena ampirisihan’izy ireo ny ezaka ataon’ny FFKM. Tsy hisy fifidianana sy valim-pifidianana hoeken’ny rehetra mantsy eto raha tsy mipetraka izay fihavanam-pirenena izay ka tafody eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny CT Randrianantenaina José.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT