Valy bontana avy hatrany no nentin’Atoa Randrianantenaina José, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sady filoha Rezionalin’ny antoko TIM Vakinankaratra mahakasika ny tenin’ny CT Elima Hajarisaona nilaza an-gazety fa faharesena ho an’ny TIM ny tsy nahafahany nilahatra ny fetim-pirenena farany teo.
Porofo iray, hoy izy fa nandritra ny fifidianana filoham-pokontany tao Antsirabe dia tsy nahatafiditra olona na iray aza ny TGV izay tarihiny na dia efa notohanan’ny lehiben’ny Faritra faran’izay mafy aza tamin’izany, fa mbola ny kandidà TIM ihany no lany. Manaraka izany dia antso avo no nataon’ny CT José ho an’ny CT Elima fa “olona tsy voafidim-bahoaka izy ary ny vato mba azony tamin’ny fifidianana dia zara raha nisy 4% monja fa fanonganan-panjakana no mba nahazoany seza ka tsy afaka hifaninana amin’ny antoko TIM mihitsy izy sy ny TGV raha mbola ao Vakinankaratra fa ny mangina no mety aminy”. Fandresena miezinezina ho an’ny TIM, hoy hatrany ny CT Randrianantenaina José iny hetsika tamin’ny 26 jona iny satria fahatahorana mafy ny zanak’i Dada no tsy namelana azy hiseho vahoaka.
“Sao diso hevitra ianareo mpitondra ireo fa momba anareo ireo olona tsy miteny ireo. Avelao ho tonga eto ny filoha Ravalomanana hahitana ny herinareo !”. Nambaran’Atoa Randrianantenaina José fa “tahotry ny lehiben’ny Distrika sy ny lehiben’ny Faritra ny ho afa-baraka eran’i Madagasikara sy izao tontolo izao ka ho afaka amin’ny sezany ny tsy namelany ny zanak’i Dada hilahatra tamin’ny ora farany satria tsinjony fa be loatra tsy araka ny niheverany azy isan’andro ny olona tonga namaly ny antso ho an’ny legalista hilahatra”. Farany dia nohamafisin’ity Dépioten’Antsirabe II teo aloha ity fa “na hisy na tsy hisy ny fihaonana eo amin’ny Filoha Ravalomanana sy Rajoelina dia tsy maintsy tafody ny filoha Marc Ravalomanana. Ny vahoaka Malagasy no mangataka sy mila azy hiverina eto Madagasikara fa tsy ny FAT”.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.