«Somary nampalahelo ny Movansy Ravalomanana ihany ny tsy fahatongavan’ny Filoha Ravalomanana ny sabotsy 21 janoary lasa teo saingy hery lehibe ho anay ny vokany satria dia henatra ho an’ny mpitondra misy amin’izao fotoana iny ary nanaitra ny vondrona iraisam-pirenena hijery akaiky ny raharahan’i Madagasikara», hoy ny Depioten’Antsirabe II teo aloha Randrianantenaina José raha nanontaniana ny heviny mikasika iny tranga iny.
Nambarany fa dia voaporofo indray fa matahotra mafy an-dRavalomanana ny fitondrana tetezamita amin’izao fotoana, indrindra fa Ingahy Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy noho ny ratsy nataony tamin’iny filoha iny, indrindra fa vahoaka an’aliny nilamina ary vonona hitsena ny filoha no hitany teny Ivato. Voaporofo ihany koa fa dia mbola mandeha ila hatrany ny fitantanana ny raharaham-pirenena ka dia ireny no vokany, henatra ho an’ny firenena manontolo.
Efa mazava moa ny tolo-kevitry ny Troïka ka dia ho hita eo ny fampiharana azy fa ny mahamaika anay, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity dia ny firosoana amin’ny fanomanana ny fifidianana madio sy mangarahara ka mialoha izany dia apetraka tsara ny CENI tena mahaleo tena sy hiaraha-mitantana ary samy avela samy hilatsaka hofidiana avokoa izay te hilatsaka mba samy tena hotsarain’ny vahoaka, indrindra izy efatra mirahalahy mianaka ka dia ho hita eo izay tian’ny vahoaka marina, ary atao adin’ombalahin’ny mpianakavy amin’izay ka izay maharesy tsy hobiana ary ny resy tsy akoraina.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.