“Matoky ny fanampahan-kevitry ny CES vaovao ny Zanak’i Dada sy ny Ankolafy Ravalomanana rehetra eto Vakinankaratra”, hoy ny CT Randrianantenaina José sady filohan’ny vaomieran’ny fiompiana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita. Nambarany fa tsy tokony hampiova ny maha kandida an’i Neny Lalao Ravalomanana ny fanavaozana ny mpikambana ao amin’ny CES satria efa didim-pitsarana no navoakan’ny CES teo aloha izany. Mbola nanamafy araka izany ity mpandrindram-patitry ny Zanak’i Dada ao Vakinankaratra ity fa i Neny ihany no kandidàn’izy ireo ary «tsy mihevitra ny hanolo na hanova izany mihitsy ny ankolafy Ravalomanana».
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.