Politique

CT Randrianandrasana Patrice Milatsaha daholo fa aza matahotra ny filoha Marc Ravalomanana


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

Ny Zanak’i Dada Boeny Mahajanga tarihan’ny CT Randrianandrasana Patrice dia manameloka tanteraka ireny fihesika feno habibiana nataon’ny mpitandro ny filaminana eo am-pelatanan’ny FAT tamin’ny zoma ireny.

 Noratraina i Guergana vinantovavin’ny filoha voafidim-bahoaka teto Madagasikara Marc Ravalomanana ary notsiratsiraina sy natositosika ny “1ère Dame de l’Etat Malagasy” Rtoa Lalao Ravalomanana sy ny zanany. Ny antso tianay hapetraka, hoy ny CT Randrianandrasana Patrice dia hoe : “ ny Zanak’i Dada eto Boeny Mahajanga dia tsy hiditra velively amin’ny vela-pandrika sy fandrangitana ary fambolena fankahalana ataon’ny ekipan’ny FAT”. Tsy misy hahazo tombontsoa amin’ny korontana, hoy izy, fa efa mafy ny zioga nentin’ny vahoaka Malagasy tamin’ity krizy ity. Ho an’ny praiminisitra Omer Beriziky, dia “raiso ny andraikitrao, ampiharo ny tondrozotra fa manampy ary miaro ny tondrozotra ny Zanak’i Dada. Izay ihany no lalana ahafahantsika miala amin’izao krizy lavareny itondran’ny vahoaka Malagasy fahoriana tsy roa aman-tany izao.

Ho an’ny mpanao politika dia hoy izahay Zanak’i Dada avy any Boeny Mahajanga hoe : “ Izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy. Ny antso avo ataonay dia mitaky ny filatsahan’Atoa Andry Rajoelina filohan’ny tetezamita sy ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana hiatrika ny fitsaram-bahoaka amin’ny alalan’ny fifidianana madio sy mangarahara. Manao antso avo koa amin’ny mpanao politika kanosa izay mitabataba eny amin’ny fahitalavitra eto Antananarivo izahay noho ny tahotra ny filoha Marc Ravalomanana ka mihevitra ny hanilika azy. Milatsaha ianareo dia ho hita eo ny fanananareo vahoaka hifidy anareo. Ny zanak’i Dada Boeny Mahajanga dia tsy manana olona hatolotra sy holaniana amin’ny fifidianana afa tsy ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana.

Manohy                                   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT