Politique

CT Randriamamiarizafy Ignace Hitory ny AV7


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Mbola miteraka resabe hatramin’izao ny fihetsika sy ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny FAT sy ny komandin’ny zandary CIRGN nikasa hanodina ilay fiaramanidin’ny AIR LINK nitondra ny filoha Ravalomanana ny sabotsy lasa teo.

 Namoizana aina sy naharatrana olona ihany koa iny hetsi-bahoaka tamin’ny sabotsy teo iny. Manoloana izany indrindra dia milaza ny hitory ny fikambanan AV7 ny mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Moramanga, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Randriamamiarizafy Ignace. Nambaran’ity farany fa ity fikambanana ity no nihantsy sy niantso ady kanefa tsy nisy fandraisana andraikitra nataon’ny CIRGN fa navela nalalaka ny AV7 nilaza fa “maso solon’ny maso ary nify solon’ny nify”. Nisy ny aina nafoy, hoy izy tamin’ny sabotsy ka tsy hanaiky izahay fa hametraka fitoriana ny AV7.

Ankoatra izay dia nasian’ity mpikambana eo anivon’ny CT resaka ihany koa ny momba ny familiana ny fiaramanidina nitondra ny filoha Ravalomanana. Tsy taksibrosy ny fiaramanidina, hoy izy ka asaina hivily amin’ny lalana tsy tokony ho izy dia hivily. Tetsy andanin’izany dia novaliany koa ny tenin’ingahy Voninahitsy Jean Eugène tao amin’ny TVM milaza fa nomena vola roa alina isan’olona ireo olona tonga teny Ivato ny sabotsy lasa teo. «I Voninahitsy no efa zatra mividy olona ary toetra ratsiny izany. Ambarako fa tamin’ny fifidianana filohan’ny Kongresy dia nandraviravy roa hetsy ariary isan’olona izy hifidy azy», hoy ny CT Randriamamiarizafy Ignace. Nohazavainy fa notombanan’ny radio RFI ho tany amin’ny 7 hetsy tany ny olona tonga nitsena ny filoha Ravalomanana teny Ivato ka raha atao, hoy izy ny kajy tsotsotra dia tany amin’ny 70 miliara tany izany ny vola navoaka. Iaraha-mahafantatra anefa, hoy izy fa tsy maintsy misy fanadihadiana hatao amin’izay olona maka vola mihoatra ny 4 tapitrisa ariary eny anivon’ireo banky, eo koa ny SAMIFIN. Politika mirefarefa amin’ny tany no tadiavina hatao eto, hoy ihany ity mpikambana eo anivon’ny CT ity.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT