Politique

CT Ralainirina Marcel Hifandimby any am-ponja rehefa tsy hifamela


  • Alatsinainy 02 Aprily 2012

Rehefa tsy misy ny fifamelana eto dia ny fonja no hifandimbiasana, hoy Ralainirina Marcel, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Manakara tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy teo.

 Tsy nihambahamba ny tenany nilaza fa raha ny zava-nisy teto Madagasikara tato anatin’izay telo taona izay dia manjaka ny fanosihosena ny zon’olombelona. Ankoatra izay dia nametra-panontaniana ity mpikambana eo anivon’ny Kongresy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, hoe nahoana no lazaina fa namono olona ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ny 7 febroary 2009, kanefa tsy resahin’i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy mihitsy ny zava-nitranga ny 26 janoary 2009 izay nahafatesana Malagasy maro, sy nahamay orinasa maro, ary nahapotika ny fananam-pirenena toy ny TVM sy RNM ? Manoloana ireny, hoy Ralainirina Marcel dia tokony hotsaraina ihany koa i Andry Rajoelina satria araka ny fanazavany dia tsy ireo namoy ny ainy tamin’ny 7 febroary ihany no maty fa betsaka ireo maty sy ra nandriaka tao anatin’izay telo taona nitondrany izay, eo koa ny fahantrana vokatry ny fanonganam-panjakana. Rehefa izay dia notsiahivin-dRalainirina Marcel fa iny fitsarana ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina koa iny no miandry ny mpanongam-panjakana.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT