Politique

CT Ralaiarison Justin Ny famotsoran-keloka faobe no vahaolana


  • Alakamisy 15 Martsa 2012


 Nisy iraka manokana tany atsimo nataonay mirahalahy, Ralaiarison Justin sy Sazalahy Tsianihy izay mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita, avy amin’ny ankolafafy Ravalomanana avy any Atsimo Andrefana nanamafisanay fa ny famotsoran-keloka faobe no mahasoa ny vahoaka Malagasy manerana ny Nosy ka andrandrain’ny politika tia tanindrazana sy ny mpandraharaha te-hampandroso ny firenena. Raha ny tsy fandriampahalemana mihatra manerana ny lafivalon’ny Nosy no asian-teny dia mila fitoniana ara-politika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny.

Mihamahantra ny mpiara-belona ka mila fanatanterahana haingana ny tondrozotra ahafahana mahazo fanohanana ara-bola avy any ivelany, hoy ny CT Justin sy Tsianihy. Tena ilaina io fanampiana ara-bola avy any ivelany io satria raha tarafina amin’ny zava-misy any Atsimo ny resaka dia hita fa ny fanamboarana ny digy Fiherenana any Toliara II sy digy Ankiembe Toliara I dia asa vonjy tavanandro, zara raha vita no natao, noho ny tsy fisiam-bola. Ho anay ankolafy Ravalomanana, hoy ireto CT ireto, dia tsy hanaiky hilalaovan’ny mpanao politika sasany amin’ny resaka famotsoran-keloka asiana fanasivanana fa ho anay dia ny famotsoran-keloka faobe no mety hisorohana amin’ny fivakisan’ny fiarahamonina indray mandeha indray.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT