Politique

CT Rakotomiandrisoa Ernest Aleo Ravalomanana sy Rajoelina ihany no kandida


  • Alakamisy 09 Aogositra 2012

Nafanafana ny fanehoan-kevitra tao amin’ny kiajan’ny Magro Avaratsena Antsorabe, omaly alarobia 08 Aogositra.

 Niompana tamin’ny filatsahan-kofidin’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ny resaka sy ny lahateny ary hita ho avo feo avokoa ireo nandray fitenenana. Nambaran’ny CT Rakotomiandrisoa Jean Ernest fa “mipararetra toy ny bararata amon-drano ny FAT sy mpomba azy amin’ny tohin’ny fihaonana any Seychelles ka samy mirediredy avokoa”. Na dia tsy misy vaovao mivoaka moa any an-toerana dia nolazain’ity solombavambahoakan’Antsirabe I teo aloha ity fa “tsy maintsy tafody ny filoha Ravalomanana raha tiana ny hisian’ny fitoniana eto”. Nambarany ihany koa fa tsy maintsy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy ary mbola izy ihany no kandidan’izy ireo.

Nampirisihiny, araka izany, ny hifaninanan’i Andry Rajoelina irery amin’ny filoha Ravalomanana amin’ny 08 mey 2013 ary raha ny faniriany aza dia hoe : «tsy asiana kandidà hafa fa izy mianaka no havela hifampitady», amin’io fifidianana io dia ho hita izay tena naongan’ny vahoaka sy napetraky ny vahoaka marina. Nahitsy koa ny valin-kafatra nomeny ny Sekretera jeneralin’ny COI, ka nilazany fa tsy anjaran’ny Maorisianina no manapaka ny hoavin’i Madagasikara amin’ny filazana fa samy tsy tokony hilatsaka hofidiana ny filoha Ravalomanana sy Rajoelina. Nandefa hafatra ho an’ny miaramila ihany koa ny tenany ka nilaza fa izy ireo no tena fototry ny Krizy eto Madagasikara kanefa dia izy ireo no tena mahazo tombony betsaka eto amin’ny firenena kanefa Remenabila aza tsy azo akory, ary henatra ho an’ireo manamboninahitra izany. Hentitra moa izy namarana ny fitenenany ka nilazany fa hisy raha eto raha toa ka tsy misy zavatra tapaka any amin’io fihaonana farany io satria dia mazava fa Rajoelina no mandatsaka an-kady ny Malagasy. 

 
Caïus Raharison
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT