Politique

CT Rakotomandimby Désiré Nahazo tatitra mampiahiahy fa mivoaka mandroba ny voafonja ao Ambositra


  • Zoma 31 Aogositra 2012

Vahinin’ny Gazety Tia Tanindrazana anio Atoa Rakotomandimby Désiré, mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita avy ao Ambositra sady mpandrindram-paritry ny antoko TGV ao Amoron’i Mania. Ny tsy fandriampahalemana mirongatra ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania no nanontaniana azy amin’ny maha mpitondra tenin’ny vahoaka azy ireo any amin’ny fitondram-panjakana. Fanadihadiana.

 Tia Tanindrazana (TT) : Mirongatra ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania tato ho ato. Tsy mitsitsy ny dahalo any ambanivohitra, mirongatra ny vaky trano miharo vono olona ao Ambositra, mitombo isa ny jiolahy manakan-dalana amin’ny lalam-pirenena fahafito iny. Voamarina amin’ny tatitra azonao avy amin’ny vahoaka ve ireo Atoa CT ?

Rakotomandimby Désiré (RD) : Marina tokoa ny voalazanao fa tena efa mampiteny ny moana ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Izaho rehefa mihaino ny tatitra ambaran’ny vahoaka dia efa manana ahiahy fa efa misy tambajotran-dRemenabila ao Amoron’i Mania ao. Mizara roa ny endrik’io tsy fandriampahalemana io ao amin’ny Faritra dia ny miseho any amin’ny tontolo ambanivohitra sy ny an-drenivohitra. Halatra omby ataon’ny andian-dahalo am-polony sy an-jatony saika ho isan’andro ny any ambanivohitra ; vaky trano miharo fandratrana sy vono olona ny misy ao an-drenivohitra. 
 
TT : Inona no heverinao fa mety mahatonga io tsy fandriampahalemana io ?
RD : Voalohany aloha, dia deraiko ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana ao an-toerana saingy tratran’ny be no ho vitsy izy ireo ka tsy afa-manoatra. Lazaiko anao fa ny dahalo anie no betsaka raha mitaha amin’ny isan’ny mpitandro ny filaminana ao Amoron’i Mania e ! Efa manana basy mahery vaika ireo dahalo ireo ka tsy matahotra mpitandro filaminana intsony. Hitantsika ireny Zandary efa namoy ny ainy vao tsy ela akory izay noho ny hery tsy mitovy.
Hitanay sy ambaran’ny vahoaka aminay koa fa misy ihany ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra mikasika io tsy fandriampahalemana io fa variana amin’ny zavatra hafa nefa efa mijaly ny vahoaka. Mikasika ny tsy fandriampahalemana ao an-drenivohitry ny Faritra indray dia nanaitra anay ny tatitra marobe ambaran’ny vahoaka aminay tato anatin’ny andro vitsivitsy izao fa gaboraraka ny fitantanana ny fonja ao Ambositra satria voalaza fa misy mivoaka alina mandroba sy mangalatra ary mamono olona izy ireo.
 
TT : Azonao hamarinina ve izay fisian’ny gadra mivoaka mandroba ao Ambositra izay ?
RD : Araka ny ahiahin’ny olona dia mety misy hanoanana mahazo ny voafonja ao ka mahatonga azy ireo hanao ratsy tahak’izao. Mandeha am-polony izy ireo rehefa manafika ka vaky trano miharo vono olona no ataony. Porofon’izany ny fandrobana efa nisy nifanesy tao Ambositra tato anatin’ny roa volana izao. Misy indray ireo tonga dia manao tsatok’antsy tsotr’izao, tena efa tsy milamina ny tanànan’Ambositra ankehitriny.
 
TT : Inona no vahaolana na soso-kevitra azonao atolotra hisorohana izay tsy fandriampahalemana izay ?
RD : Eto aho dia manao antso avo ho an’ny rehetra ao Amoron’i Mania mba hanamafy ny andraikiny avy hiady amin’ity tsy fandriampahalemana ity. Tsy vitan’ny mpitandro ny filaminana samirery izy io fa mila ny fifanomezan-tanana avy amin’ny vahoaka. Tokony hotohizana hatrany ary hohamafisina ny Andrimasom-pokonolona. Mikasika ny ahiahin’ny vahoaka fa misy gadra mandroba ao Ambositra dia manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra voakasika aho mba hanao fanadihadiana tena lalina mikasika azy io, na mety ho misy andian-jiolahy hafa manao ratsy.
Ho an’ny mpitondra any ambony any indray dia tokony hanao ho asa laharam-pahamehana ity ady amin’ny tsy fandriampahalemana ity. Efa misy an-diam-balala ihany koa any Amoron’i Mania amin’izao fotoana izao ka anairanay ny mpamono valala fa tsy misy ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra ao amin’ny Faritra amin’ny famonoana azy io. Ny tapany andrefan’ny Faritra iny no tena lasibatra nefa efa hamboly vary indray ny tantsaha any Amoron’i Mania ato ho ato. Ho ratsy ny vokatra manaraka raha mitohy izao tsy fandraisan’andraikitra amin’ny tsy famonoana valala izao. Misaotra ny Gazety Tia Tanindrazana nanasa anay hampitana ireo olana goavana misy any amin’ny Faritra Amoron’i Mania ireo.
 
Rado
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT