Politique

CT Rakotomandimby Désiré Miantso ny hisian’ny fiaraha-mitantana


  • Alatsinainy 19 Martsa 2012

Azo alain-tahaka ny firaisankina nananan’ireo hery politika maro misy ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania nahitana olona atolotry ny marimaritra iraisana hitantana ny Faritra ka nametraka avo ny tombontsoam-bahoaka fa nampandefitra ny hambom-po politika, hoy ny mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita, Rakotomandimby Désiré ny sabotsy 17 Martsa lasa teo.

 Ny Faritra Amoron’i Mania ihany aloha hatramin’izao eto Madagasikara no voalohany nametraka izay firaisankina fanolorana olona hiaraka hitantana ny Faritra izay. Hita sy tsapa tokoa hatramin’izay tao Amoron’i Mania ny tsy fetezan’ny fanaovana tsinontsinona ny mpanao politika hafa ka niteraka vesatra tamin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana tao amin’ny Faritra. Nanao antso avo, araka izany, ny CT Rakotomandimby Désiré mba hanajan’ny Fanjakana tetezamita izao ezaka ataon’ny mpanao politika ao Amoron’i Mania izao izay efa mampihatra ny marimaritra iraisana sady olona efa nahazo fankatoavana avy any ifotony sy eken’ny rehetra no atolotra hotendrena ho Lehiben’ny Faritra vaovao. Hita mantsy fa efa nifandamina ny mpanao politika ao Amoron’i Mania, hoy ny tenany na ny mpomba na mpanohitra ny fitondrana satria niray latabatra hametraka ny marimaritra iraisana izay hiteraka fitoniana ara-politika amin’izay ao Amoron’i Mania.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT