“Vokatry ny firongatry ny tsy fandriampahalemana izay efa hahatonga ny Faritra Amoron’i Mania ho Faritra mena ankehitriny dia tokony ho mpitandro ny filaminana na miaramila no tendrena ho Lehiben’ny Faritra ao Amoron’i Mania”.
Io no votoatin’ny tafa nataon’ny CT Rakotomandimby Désiré tamin’ny mpanao gazety tao Ambositra omaly talata 04 septambra 2012. Nisy fotoana nahanginan’ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity izay sady mpandrindram-paritry ny TGV ao Amoron’i Mania mikasika ny fitakiana ny fialan’ny Lehiben’ny Faritra tato anatin’ny volana vitsivitsy. Tsy maintsy tohizana izany fitakiana izany hoy ny tenany satria efa mihoatra ny mety ny tsy fetezan-javatra sy asa fampandrosoana tsy mirindra ao Amoron’i Mania. Notanisainy avokoa ny tsy fandriampahalemana, andiam-balala tsy misy mpamono, olana ara-tsosialy samihafa.
Tsy antony politika loatra, hoy ihany ny tenany no anton’ny fitakiana fa toa ataon’ny mpitondra ao Amoron’i Mania odian-tsy fantatra ve ireo olana mianjady amin’ny vahoaka ireo ? Mbola eo ihany koa ny tsy fahatomombanana ara-pahasalamana mahazo ny mpitantana ny Faritra ka tsara raha olon-kafa hahavita no tendrena satria tsy tokony hatao takalon’aina amin’ny olona iray ny Faritra ary ny mpitondra fanjakana dia natao hanasoa vahoaka fa tsy hiaro olona tokana. Amin’Atoa Rakotomandimby Désiré dia tokony ho miaramila no tendrena hitantana ny Faritra Amoron’i Mania rehefa sarotra ny manendry Administratera sivily na mpanao politika noho ny tsy fisian’ny filaminana. Marihana fa tsy nilaza anaran’olona hatolotra ny tenany tamin’ity fotoana ity.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.