Politique

CT Rajaonarison Lisinirina Mampirisika ny vehivavy hiatrika ny fampandrosoana


  • Zoma 22 Martsa 2013

Tsy mitarain-tana-miempaka amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy ataony ao Amoron’i Mania ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Rajaonarison Lisinirina na CT Nirina.

 Efa maro ireo asa soa sy fanentanana nataony hahafahan’ny vahoaka, indrindra ny vehivavy, hivoatra amin’ny fiainany. Hita taratra izany nandritra ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny vehivavy ny andron’ny 8 Martsa lasa teo satria naharitra telo andro ny niarahany nitakosona tamin’ireo vehivavy tao Ambositra sy nanolorany fanampiana isan-karazany. Nandritra ny famangiana nataon’ny CT Nirina tao Ambositra farany teo dia notolorany asa natakalo fanomezana toy ny vary, siramamy, ronono, fitafiana sy kojakoja maro ireo vehivavy miisa 40 tao Iajaky tamin’ny fanamboarana ny lalankely mirefy 100 m izay maloto tsy nisy mpikarakara. Notolorany fanampiana ihany koa ireo vehivavy voafonja tao Ambositra sy ny sahirana ara-pivelomana ary ireo vehivavy manana fahasembanana.

Nasongadiny hatrany ny tokony hisian’ny firaisankina satria tsy mahavita zavatra raha tsy eo izay. Nampirisihany koa ny vehivavy sy ny renim-pianakaviana rehetra ho sahy hiatrika ny fampandrosoana sy ny hoaviny mba hahaleo tena. Nanaja izany ireo vehivavy tao Ambositra noentaniny ka nanome toky fa hirotsaka an-tsehatra amin’izay. Maro ireo renim-pianakaviana mitantara ny olana sedrainy amin’ity Mpikambana ao amin’ny kongresin’ny tetezamita ity ka mahazo fahafaham-po hatrany, ny herisetra sy olana ara-pianakaviana no tena itarain’izy ireo.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT