CT Radert Didier

> Mampiahiahy ny fifidianana hatao io


  • Talata 10 Septambra 2013

Nilaza ny CT Radert Didier fa hatramin’izao dia tsy mbola manana kandidà hotohanana ho an’ny fifidianana filoham-pirenena ny ankolafy Ravalomanana na dia voizina etsy sy eroa aza fa mety hisy izany.

Nohamafisiny fa na dia teo aza ny dian’ny delegasiona tany afrika Atsimo nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana dia tsy mbola tao anatin’ny fanapahan-kevitra noraisina izany fa miandry ny vokatry ny fihaonany amin’ireo mpitarika ny Troika-SADC ato ho ato izany. Na izany aza dia nolazain’ny CT Radert Didier fa vonona hiatrika ny fifidianana rehetra ho avy ny ankolafy misy azy. Mikasika ny fifidianana solombavambahoaka indray dia mahagaga, hoy ity olom-boatendry ity fa dia ovana araka izay mahamety ny mpitantana ny tetezamita avokoa ny lalàna satria amin’izao dia mahazo misintona ny filatsahan-kofidiany indray ireo kandidà ireo efa nametraka ny antontan-taratasiny, ary afaka mivadika antoko. Midika izany, hoy Radert Didier fa misy ny kandida tiana hotohanana hahazoana ny maro an’isa. Efa fantatray, hoy Radert Didier fa izay hahakivy ny mpanohitra no tanjon’ny mpitondra saingy tsy misy matahotra fifidianana izany eto raha tena ara-demokratika izany fa tsy sarintsariny ka ho filoha tsy marim-pototra no ho avy eo. Manoloana izany dia mametra-panontaniana ny CT Radert Didier hoe : “Tena vahaolana maharitra ve no tadiavina eto sa mbola fanohizana ny gaboraraka ka olom-bitsy ihany no hitavana sy hangorona ny haren’ny Malagasy eto ?”.

Caius Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT