CT Rabeson Clairin dit Nampoly Tsy handray anjara intsony izahay Monima

Uamad raha …


  • Alatsinainy 06 Febroary 2012


 Hentitra ny teny nataon’ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy amin’ny Monima/ Uamad, Rabeson Clairin Noninako dit Nampoly fa hoe : raha mbola resaka lalam-pifidianan no hodinihana manaraka eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza dia tsy handray anjara intsony amin’ny fandaniana izany izy ireo fa hijanona ho mpitazana fotsiny. Amin’ity CT ity dia ny firosoana amin’ny fitoniana ka andinihana ny lalànan’ny famotsoran-keloka no mahamaika izao izay vao afaka miroso amin’izany fifidianana izany. Na izany aza rehefa lanin’ny besinimaro aloha ny lalàm-pifidianana nodinihana dia mankatoa izany ry zareo. Nohararaotin’ity CT avy any Morombe ity ny nampita ny zava-misy any an-toerana noho ny fandalovan’ny rivo-doza Chanda farany teo fa vao tafaverina tamin’ny fandalovana tany izy. Nambarany àry fa ny ranomasina mihitsy no niakatra tany Morombe no nahatonga ny 65%n-ny mponina ho tra-boina. Mbola tsy ampy ny fanampiana azy ireo, hoy izy, na dia efa nanao izay ho afany aza ny BNGRC.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT