Politique

CT Paul Pody "Ny fampihavanana ireo mpanao politika no vahaolana"


  • Zoma 30 Desambra 2011

Mitarazoka loatra ny olana ara-politika, hany ka miteraka olana lalim-paka anivom-piarahamonina ihany koa, hoy ny mpikambana eo anivon'ny Kongresin'ny tetezamita Paul Pody.

 Tsotra ny vahaolana, hoy ny lehilahy, dia ny fampihavanana ireo mpanao politika malagasy. Ny fomba hanatanterahana izany dia ny fampijoroana tetezamita tena iraisan'ny rehetra ary tsy misy fanilihana. Nasiany teny ihany koa ny amin'ny tondrozotra izay tokony hampiharina tanteraka fa tsy atao amin'ny ampahany ihany. Toa zary lasa antso an'efitra ihany anefa izany tosakevitra izany ankehitriny fa ny manao anterisetra ho amin'ny fanatanterahana ny fifidianana no mahadodona ireo milaza azy ho mpitondra an'i Gasikara, ity farany izay efa mandady tanteraka noho ny fahantrana mitambaby.
Lalasoa R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT