Nifarana ny zoma teo ny fivoriana tsy ara-potoana fahatelo natrehan’ny parlemanteran’ny tetezamita, hoy ny CT Manoela Ralaimampisainarinony avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Amin’ny zavatra rehetra dia marina ny tenin’ny filoha Mamy Rakotoarivelo, hoy izy, fa tokony hatao matotra tsara ny fiantsoana fivoriana rehefa atao satria toa nipetra-potsiny ireo parlemanta rehefa avy eo. Ny fampifandraisana izany amin’ny disadisa misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao dia ny hoe : tokony hapetraka tsara aloha ny fitoniana ara-politika mba tsy hisian’ny disadisa intsony amin’ny manaraka. Ny zavatra lehibe indrindra, hoy ihany izy, dia ny fifamelana. Raha asiana sivana araka ny tadiavin’ny sasany atao izy ireo, dia ry zareo 70 navoaka tamin’ny 17 martsa 2009 ihany izany no homen-dry zareo ka hiteraka disadisa hafa indray izany. Fa rehefa samy hifamela ny samy Malagasy satria mandia an’ity tany ity manana ny hadisoany daholo dia tokony hifamela tanteraka.
Ny tsotra indrindra dia miverina daholo ireo sesitany politika rehetra avy ivelany fa tsy tokony hisy tombo sy hala. N’inona n’inona atao eto, ny fitsarana tsy mbola nipetraka. Raha tiana atao “amnistie” na hohenjahina izany ny Filoha Marc Ravalomanana dia hotsaraina koa izany Atoa Andry Rajoelina sy ny namany. Ka raha mbola izany foana no hatao eto amin’ity firenena ity dia hikorotan-dava isika. Antso fotsiny no ataonay amin’izao fotoana izao hoe : hapetraho ny fitoniana, avelao ny vahoaka hiteny malalaka araka izay notakiany ihany tamin’ny 2009. Dia mifamela ny samy Malagasy fa teto dia nanana ny fahadisoany daholo, na ry Pety sy ry Voninahitsy ary Pierrot Rajaoanarivelo miteniteny amin’ny Tele io, raha tsy hiteny afa tsy ireo fotsiny isika. Dia avelao ny Malagasy 20 tapitrisa no hanambara ny tena tiany hoe : ity no homeny hitantana ny tany dia izay no mety indrindra. Aoka, hoy ny CT Manoela, mba haka tahaka an’i Afrika Atsimo isika Malagasy tia fihavanana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.