Politique

CT Mamisoa Hoteren’ny TGV ho kandida Rajoelina ?


  • Zoma 05 Aprily 2013


 Nahitsy ny tenin’ny  CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa omaly teny an-kianja nilaza fa folaky ny FAT ny filohan’ny Ceni-t. “Firy isan-jato izao ny Malagasy no hahay ilay bileta tokana ?”, hoy izy. Tapitra eo amin’ny fananganana andrim-panjakana tsy ara-dalàna ve ny tondrozotra ? Tanteraka 100% io tondrozotra io, hoy ity CT avy any Ambatolampy ity,  vao afaka miroso amin’ny fifidianana isika. Mazava ny tenin’ny filoha Marc Ravalomanana teo, hoy izy, fa tsy hanolotra kandidà izany ny Ankolafy Ravalomanana raha tsy tafaverina an-tanindrazana izy.  Ireo avy amin’ny Ankolafy Rajoelina nanambara ofisialy ny maha kandidà azy ireo dia mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 avokoa ka samy te-ho lohany. Malaza any an-dapa any, hoy ity CT ity,  fa ho terena hilatsaka ho kandidà indray i Andry Rajoelina  ao anatin’ilay kongresy ho ataon’ny TGV  ka raha izay tokoa no hisy  dia ho  kandidà “ automatique”  koa i Dada ka avela hifanandrina eo amin’izay ny roa tonta.

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT