Politique

CT Germain “Tany tsy misy fanjakana eto”


  • Alarobia 18 Aprily 2012

«Mitovy amin’ny tany tsy misy fanjakana eto amintsika», hoy i Germain, mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita (CT), avy any Betsiboka. Nambarany fa tsy manaja lalŕna ny mpitondra, satria efa lalŕna velona nanomboka ny 28 desambra 2011 teo ny sori-dalana ka tokony hampiharina daholo kanefa tsy izany no miseho.

Izany dia midika, hoy izy fa fandikan-dalàna ny tsy fampiharana ny lalàna ka tokony hohenjehina araka ny lalàna. Notanisain’ny CT Germain moa ny fanosihosen’ny minisitry ny fitsarana izany sori-dalana izany tamin’ny alalan’ny fanapahan-keviny dia ny fanolorana lalàna samihafa tamin’izay tapaka teo anivon’ny filankevity ny governemanta, raha ny momba ny famotsoran-keloka no resahina. Raha ny fividianana ireo fiaramanidina Airbus indray dia notsindrian’ity mpikambana eo anivon’ny parlemanta fa didy jadona no nataon-dRajoelina satria tsy nifampierana tamin’ny filankevitry ny governemanta sy ny minisitra izany.

Etsy andanin’izany rehetra izany koa dia mijaly ny vahoaka any amin’ny Faritra satria toa tany lavitr’andriana, tsy misy mpiraharaha. Ho an’i Betsiboka manokana dia tena tra-pahasahiranana amin’ny lafiny fandriampahalemana, ary dia faritra mena amin’izany mihitsy. Miaina anaty haizina koa satria simba avokoa ireo milina roa an’ny Jirama ary tapatapaka efa roa volana koa izao ny rano, araka ny fanazavan’ny CT Germain ihany. Manoloana izany àry dia nisy ny vaomiera natsangana niarahan’ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy ireo Tangalamena any an-toerana mizaha ny zava-misy. Raha ny tokony ho izy dia ny Parlemantera no manara-maso ny mpanatanteraka amin’izay asa ataony kanefa hatreto, araka ny fanazavany dia tsy mbola tafajoro izany vaomiera izany na dia efa tamin’ny volana desambra 2011 aza no niasa ny fahefana mpanao lalàna.

Soa
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT