Politique

CT Ezekiela Marary ao am-ponjan’Antanimora


  • Zoma 02 Septambra 2011

Tsy salama ary nangataka hozaham-pahasalamana eny amin’ny hopitaly ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Razafindramaro Joseph Ezekiela izay notazonina am-ponja vonjimaika ao Antanimora noho izy voalaza fa voarohirohy amin’ny resaka trafikana «bois de rose».

 Nambaran’ny havany izay mitsidika azy tsy tapaka eny amin’ny fonjan’Antanimora fa ny fomba fitazonana olona tsizarizary eny amin’ity fonja ity no tena tsy tantin’i Ezekiela. Maro loatra ny gadra iray trano, hoy ny fanamarihana fanampiny nomen’ireto olona ireto ka miteraka tsy fahasalamana. Manampy trotraka an’izany koa ny adin-tsaina mianjady amin’ity Kongresin’ny tetezamita ity, araka ny filazan’ny havany ihany.

Zavatra tsy natao mantsy no nahavoatazona azy. Raha niniana dia tsy maintsy efa mba niomana kely amin’izay ho fiantraikan’izany ihany ilay olona. “Ho an’ny havanay dia tsy nisy nidirany mihitsy ny amin’ity raharaha nitazonana azy ity ka izany no mampiasa ny lohany fatratra ary mila tsy ho tantiny ao am-ponja ao”. Nanamarika ny havany fa fihetsika efa notoherin’i Ezekiela tamin’ny fitondrana teo aloha izao mihatra aminy izao ka zary manome vahana ny mpanohitra ny fitondrana tetezamita. Marihina fa mbola mizaka ny zony rehetra eny anivon’ny Kongresin’ny tetezamita Razafindramaro Joseph Ezekiela satria tsy mbola olo-meloka araka ny lalàna.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT