Politique

CT Ernest Rakotomiandrisoa Tsy nampoizin-dRajoelina ny hamaroan’ny olona


  • Talata 24 Janoary 2012


 “Tsy nampoizin-dRajoelina ny mbola fitiavan’ny vahoaka ny filoha Ravalomanana ka dia ny famoahana NOTAM tamin’ny ora farany no heveriny fa vahaolana amin’ny fanakanana ny fidiran’ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara», hoy ny depioten’Antsirabe I teo aloha, ary mpikambana amin’ny Kongresin’ny tetezamita, Rakotomiandrisoa Jean Ernest raha nanontaniana ny heviny taorian’ny fitsenana ny filoha Ravalomanana ny sabotsy 21 janoary lasa teo. Voaporofo indray, hoy ihany ity mpanao politika ity fa tsy misy fiaraha-mitantana izany eto satria dia baiko avy amin’ny filohan’ny FAT mihitsy no namoahana iny NOTAM ny sabotsy teo iny fa tsy tany amin’ny governemanta.

Araka izany dia heverin’ity mpanao politika ity fa fomba entina hitadiavana fankatoavana sy famatsiam-bola iraisam-pirenena fotsiny no nananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena sy ireo rafitra takian’ny tondrozotra niarahana nanao sonia fa i Andry Rajoelina ihany no hihevitra hitondra ny baolina samy irery. Notsipihiny fa dia ireny niaraha-nahita ireny ny vahoaka tonga nitsena ny filoha Ravalomanana ny sabotsy teo, fa ankoatra ireny dia vahoaka maro no mbola ao an-damosin’ity filoha teo aloha ity amin’izao fotoana izao, ka izay no tsy zakan’ireo mpihazona fahefana ireo.

Araka ireny tranga ireny, hoy ihany izy dia anjaran’ny vahoaka amin’izay no mitaky tsy misy fepetra ny fampodiana ny filoha Ravalomanana fa efa fantatra fa raha Rajoelina sy ny forongony dia tsy hamela malalaka ny filoha Ravalomanana hiditra eto noho ny tahotra azy sy ny ratsy vitan’izao tetezamita izao. Nanamarika moa ity mpanao politika avy any Antsirabe ity fa miandry ny toromarika avy amin’Atoa Mamy Rakotoarivelo fotsiny izy ireo sy ny Governemanta dia hiala tsy misy hatakandro ao amin’izao tetezamita mandeha ila izao. Hatreto aloha dia miato vonjimaika amin’ny fifandraisana amin’ny rafitry ny tetezamita izy ireo. Nohamafisin’ity mpitarika ao Antsirabe ity fa dia ho mafimafy indray ny tolona manomboka izao ka dia efa hanentanany ny mpitolona mba hivonona amin’izay mety hitranga ato ho ato. Anisan’ny nahatonga delegasionina maro moa ny faritra Vakinankaratra tamin’ity fitsenana ny filoha Ravalomanana ity ka saika nanana solontena avokoa ireo Distrika mandrafitra ny faritra.

Caius R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT