Politique

CT Donazy Ny ataon’ny FAT no mampafana ny toe-draharaha eto


  • Alarobia 25 Aprily 2012

Marina fa mafanafana tokoa ny toe-draharaha eto amintsika ankehitriny, hoy ny CT Donazy avy amin’ny ankolafy Ravalomanana voatendry avy any Farafangana, ny antony dia ny mpitondra FAT tsy nanaraka ny tondrozotra an-tsakany sy an-davany no nahatonga izany.

 Mody manaiky hanao sonia an’ilay tondrozotra ry zareo nefa ny ao antsainy dia ny hitondra irery ilay raharaham-panjakana ka izay izany no tsy eken’ny ankolafy Ravalomanana, indrindra izahay avy any Atsimo Atsinanana, izany satria izahay rehefa nanao sonia dia tapa-kevitra fa hanatanteraka ny zavatra nataony sonia, hoy ity Parlemantera ity. Nanamafy ny hisian’ny tatitra hataon’ny Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana eto Antananarivo ny sabotsy 28 aprily izao i Donazy, izay nanamarika fa “gaga raha maheno fa misy ny ramatahora atao nefa zonay Parlemantera no manao tatitra amin’ny vahoaka ny fivoriana nataonay”. Na izany aza dia nanamafy ny tenany fa tsy mihemotra ary “izahay rehetra mihitsy no hitarika an’io hetsika amin’ny sabotsy io”, hoy izy.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT