Politique

CT Didier Radert «Fitondrana jiolahimboto no eto»


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Nahaliana ny maro ny fivoaran’ny raharaham-pirenena tato anatin’ny 24 ora farany ka nahabe resaka tao an-kianjan’ny Magro Antsirabe ny alarobia 29 mey teo.

 Nambaran’ny CT Didier Radert tamin’izany fa «tena fitondrana jiolahimboto no misy eto Madagasikara». Nentiny nanamarinana izany ny namoahan’ny CES ny lisitr’ireo kandidà ho filoham-pirenena izay fantatra tamin’ny famaranana azy fa tsy nanatitra antontan-taratasy filatsahan-kofidiana i Andry Rajoelina nefa dia ao anaty lisitry ny kandida ofisialy indray ny anarany. Ahoana no ahafahana miantoka ny fahamarinan’ny voka-pifidianana hivoaka eo? Amin’izay koa ny filohan’ny CES dia ny filohan’ny HCC, izay nampanao fianianana an’i Andry Rajoelina toy ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka nefa avy nanongam-panjakana. Amin’ny CT Radert Didier dia fahotana mahafaty no nataon’ny CES. Mampametra-panontaniana azy, araka izany, ny fihetsiky ny vondrona iraisam-pirenena tsy miteny akory manoloana ireo hadisoana goavana ireo fa ny momba ireo kandidà telo ihany no maha be resaka azy isan’andro. Manam-paharetana ny vahoaka, hoy Radert Didier saingy misy fetrany izany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT