Niompana tamin’ny resaka fampihavanana ny lahatenin’ny CT Didiert Radert tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny alarobia 06 martsa teo.
Nambarany fa maha be resaka ireo mpikambana ao amin’ilay komitin’ny fampihavanam-pirenena (FFM) amin’izao fotoana. Na dia nasiam-panovana aza izany dia tsy nifanalavitra akory tamin’ilay nahabe resaka tany am-piandohana ihany. Olona efa nanana ny laza ratsiny avokoa ireo mpikambana ao ka tsy hisy fampihavanana ho vitan’ireo fa ny handoto sy hanilika ny filoha Ravalomanana hatramin’ny farany ihany no tanjony.
Raha resaka fampihavanana no atao dia ataovy aloha ny hampodiana ny vadin’ny filoha Ravalomanana hitsabo ny reniny fa izay izao no maika, aorian’izay ny fampodiana ireo sesitany politika any ivelany rehetra miampy ny famoahana ireo gadra politika rehetra any am-ponja sy ny fanokafana ny haino aman-jery nakaton’ny FAT hatramin’izay. Izany hoe ny fampiharana ny tondrozotra mihitsy io vao miresaka fa fihatsarambelatsihy ny ankoatra izay. Izany hoy izy no tsy nandraisan’ny ankolafy Ravalomanana anjara amin’ilay lalao kitra “Fair Play” nokarakarain’ny Scoop Digital satria endrika fihatsarambelatsihy fotsiny iny fa tsy vokatry ny fo ka aleo tsy mandray anjara. Nambaran’ny CT Didier fa raha tena hanao fampihavanana tokoa ireo dia tokony ho laharam-pahamehana ny fampihaonana ireo filoham-pirenena telo mianaka sy ny filohan’ny tetezamita no tokony hataony.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.