“Tokony hiaiky ny CENI-T fa tompon’antoka feno amin’ny fahatomombanan’ny fifidianana”, hoy ny CT Didier Radert. Avy amin’ireo olon’ny CENI-T niandraikitra ny fifidianana ny fifidianana no fototry ny olana nahavery zo ny olom-pirenena.
Mampalahelo, hoy ity olom-boatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, ny fitenenana avy amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena fa ny vahoaka no tsy nandray andraikitra kanefa ny CENI-T no niantoka ny fanamboarana lisitra. Mikasika ny voka-pifidianana indray dia mahagaga fa misy ireo solontenan’ny kandidà tany amin’ny biraom-pandatsaham-bato no tsy nomena ny dika mitovy ny voka-pifidianana, izay miteraka ahiahy ho an’ny mety hanovana ny voka-pifidianana izany ary maromaro no tratran’izany tao Antsirabe, hoy izy. Teo ihany koa ny tsy famelana ny mpifidy sasany handatsa-bato rehefa tonga ny tamin’ny 5 ora hariva na dia efa nilahatra aza fa nambaran’ireo lehiben’ny fandatsaham-bato fa izay, hono, no baiko azon’izy ireo. Na izany aza dia nambarany fa nahay nifidy ary efa voataizan’ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fitiavan-tanindrazana ny vahoaka ka tsy nandairan’ny fandrebirebena nataon’ny kandidà hafa. Nambarany moa fa tsy handefitra amin’ny mety ho fanodinkodinana ny safidim-bahoaka izy ireo raha toa ka izany no mitranga amin’ity famerana ny famoahana ny voka-pifidianana ataon’ny CENI-T ity.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.