Politique

CT Andriamoratsiresy Sandros Manameloka ny fihetsika tamin’ny zoma ny any Vatovavy Fitovinany


  • Alatsinainy 30 Jolay 2012

Milaza Atoa Rajoelina fa vonona hiala amin’ny krizy, hoy ny CT Andriamoratsiresy Sandros avy any Vatovavy Fitovinany, ary tsy avy aminy no hisian’ny sakana tsy hivahan’izao olana izao.

 Ny mahagaga anefa, hoy izy, ny zava-niseho teny Ivato tamin’ny zoma lasa teo dia niaraha-nahita ny fihetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny fomba feno habibiana nanaovany an-dRtoa Lalao Ravalomanana sy ny vinantovaviny izay tonga hamangy fianakaviana eto Madagasikara. Aminay any Vatovavy Fitovinany ny fihetsika ohatra ireny dia tsy manaja ny zon’olombelona ary manao tsinontsinona olona fotsiny tsotra izao. Iarahantsika mahalala anefa fa filoha voafidim-bahoaka ny filoham-pirenena Marc Ravalomanana teto Madagasikara nefa ireny no anaovana ny vady andefimandriny izay « 1ère Dame de l’Etat » teto.

Ka eo anatrehan’izany dia malahelo izahay Zanak’i Dada avy any Vatovavy Fitovinany, hoy ny CT Sandros, amin’ny nanaovana ny reny mpitarika anay ka manameloka tanteraka ny fihetsika nataon’ny FAT. Mbola vonona ny hamaha ny olana anefa ny Zanak’i Dada avy any Vatovavy Fitovinany ary manantena ihany koa ny fihaonana faharoa eo amin’ny filoha Marc Ravalomanana sy i  Andry Rajoelina mba hanatanterahana ny tondrozotra araka ny tokony ho izy ka hiverenan’ny ara-dalàna eto  Madagasikara. « Koa manao antso avo amin’Atoa praiminisitra Omer Beriziky izahay mba handray ny andraikiny  fa latsaka an-katerena ny firenena. Efa mahatsiaro reraka loatra izahay avy any Vatovavy Fitovinany noho ny tsy fisian’ny fandriampahalemana sy ny fitombon’ny fahantrana lalina eo amin’ny vahoaka. Ka mba hisian’ny filaminanana eto Madagasikara dia angatahanay marindrano ny filatsahan’izy mianaka, ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ahitana ny tena mamimbahoaka marina. »

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT