Vahinin’ny Tia Tanindrazana anio ny Mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, Andriambelosoa Barijaona. Nandritra ny fandalovany tao amin’ny Ditstrika Fandriana farany teo no nakana ny heviny mikasika ireo olana misy ao amin’ity Distrika ity sy ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena. Fanadihadiana.
Tia Tanindrazana (TT) : Tonga aty Fandriana ianao nifanerasera tamin’ny vahoaka teto nandritra ny andro maromaro, azo fantarina ve ny anton-dia ?
Andriambelosoa Barijaona (AB) : Marina tokoa izany fa efa ho andro maromaro izao no nahatongavako taty Fandriana. Anton-dia aloha amin’ny maha zanak’ity Distrika ity dia nihaona tamin’ireo namana sy mpikatroka politika teto an-toerana no nijery ifotony ny fiainam-bahoaka ary ny zava-dehibe dia ny fanairana nataoko ireo mpitarika antoko aty an-toerana haneho fahavononana ho an’izay manohana ny firehana Ravalomanana.
TT : Araka ny fahitanao azy, inona avy no olana itarainan’ny vahoakan’i Fandriana aminao ?
AB : Ny jiro tsy mirehitra no be mpilaza. Eo koa ny olan’ny fampianarana satria tena mafana ny fitakian’ny SEMPAMA aty Fandriana. Efa misy ireo mpitarika no tapaka karama. Momba ny resaka politika dia mbola tara amin’ny fanaraham-baovao ny vahoaka aty, ireo mpanao politika indray toa mbola matahotahotra sy tsy sahy mandray fanapahan-kevitra loatra. Anisan’ny nanolo-kevitra ny hisian’ny fahavononan’izy ireo ny tenako satria tsy maintsy hisy ny fifidianana isan-tsokajiny ka dieny izao mila vonona, indrindra ny ankolafy Ravalomanana. Sarotiny tanteraka amin’ny fahadiovan’ny fifidianana izahay ka izao fandalovako aty izao dia efa nijerenay ireo olona tokony hanantanteraka izany aty amin’ny Kaominina 13 ato amin’ny Distrikan’i Fandriana.
TT : Inona no vahaolana azonao omena ireo mpitondra aty an-toerana hamahana ireo olana ireo ?
AB : Tsy misy afa tsy ny fifampiresahana eo amin’ny mpanatanteraka sy ny mpandraharaha ary ny vahoaka ihany. Efa an-taonany anie no efa nisedra olana ny herinaratra eto Fandriana e ! Vokatr’ilay tsy fisian’ny marimaritra iraisana anefa dia mbola miaina anaty haizina ny tanàna. Mikasika ny fampianarana indray dia tsapa tokoa fa misy ny mizàna tsindrian’ila eo amin’ny zon’ny mpampianatra mpanabe manao fitakiana saingy amiko dia tsy fandrangarangana sazy sy fanapahana karama no vahaolana fa mila mifampiresaka ihany ny andaniny sy ny an-kilany. Mila hamafisina ihany koa ny fandraisan’andraikitr’ireo mpitondra aty an-toerana.
TT : Mihazakazaka ny toe-draharaham-pirenena Atoa CT. Ieny efa niaraha-nahalala ireny ny fihaonan’ny Filoha roa tonta tany Seychelles, ahoana ny fahitanao ny fivoaran’ny toe-draharaha ankehitriny ?
AB : Mihazohazo sy mivadibadika satria misy ny mivadika amin’ny fifanarahana efa natao ka mikatso ny raharaha. Nosoniavina ny tondrozotra fa tsy nampiharina, fandrebirebena no betsaka eto. Izay indrindra no antony nisintahanay Ankolafy Ravalomanana tao amin’ny fitondrana satria tsy voahaja ny fifanarahana natao. Tsy mbola mivoha ireo haino aman-jery nakatona, tsy mbola mivoaka ny gadra politika, tsy mbola tafody ny Filoha Marc Ravalomanana ka inona no ataonay ao anaty fitondrana ao ? Mikasika ny fomba fiasanay ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita dia tsy mankasitraka intsony ny tsangan-tanana sy ny maro an’isa fanao ao aho satria tsy misy voafidim-bahoaka izahay ao fa notendrena avokoa. Ho anay ao amin’ny ankolafy Ravalomanana dia misintaka aloha ary afaka miala tanteraka koa noho ny fanajanay ny tondrozotra.
TT : Inona no vahaolana heverinao hialana amin’ny krizy misy eto amin’ny firenena ?
AB : Tsy misy afa tsy ny fifampiresahana eo amin’ny tsy mitovy hevitra ihany ary mila mifandefitra ny mpanao politika tsirairay satria tsy ahitam-bahaolana ny fiziriziriana. Tsy maintsy arahin’asa anefa ireo rehetra ireo.
Nangonin-dRado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.