Maro ihany izay antso avo niendrika hazolava sy lakolosy fanairana ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany tato ho ato, nataon’ireo ireo olom-boatendry sy olom-boafidy any Toliara izay, nefa mbola mirongatra foana ny asan-dahalo arahina vono olona.
Toa tsy misy fanafany amin’izao, na dia miezaka faran’izay tratry ny heriny aza ireo mpitandro filaminana. Ny sabotsy 01 septambra naraina teo, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny CST Tsitara Calvin, olom-boatendry avy amin’ny Distrikan’i Toliara II, naneho ny heviny manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana misy ankehitriny, dia nanambara fa “ny fanamafisana ny dina isam-pokontany efa misy ihany sy ny fanaovana andrimasom-pokonolona (jado) isan-tanana no vahaolana mahomby amin’io, sady mora ny fanairana ireo mpitandro filaminana”. Mbola nampiany hoe “hamafisina ihany koa ny fiambenana ny vavan-kizo sy ny fametrahana ny DAS amin’ireo faritra tena mafana”.
Ambonin’izany, hoy ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sady sojabe ity dia “zava-dehibe mirakitra soatoavina Malagasy ny fifampitaizana isan-tanàna”. Anisan’ny nahomby ary ampiharina ankehitriny “ny fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny tafika masina ho fahazavan-tsaina”. Nambarany fa “tsy vahaolana intsony ny fandrangaragana basy, famatorana olona amin’ny rojovy sy fidarohana ataon’ny mpitandro filaminana. Valifaty foana no haterak’izany”.
Porofo mitohaka amin’ny tenda, hoy ity sojabe ity, fa “noho ny fifandresen-dahatra sy fanentanana nataonay dia nihena ny asa ratsy tamin’ny endriny rehetra tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Ankililoaka rehefa natsangana ny fiangonana trano vato mirefy 20m x 10 m tao Antsanerena, Fokontany Tanandava. Miaiky ny vahoaka ankehitriny fa ny fifampitaizana no zava-dehibe amin’izy ireo fa tsy hery famoretana”. Ny fitoriana ny filazantsara amin’ny alalan’ny tafika masina no nisian’ny fahazavan-tsaina ho amin’ny fanarahan-dalàna. Soa fianatra ! Raha manao tahaka izao daholo ny rehetra dia ho lasa dahalo tonga saina tsy ho ela Remenabila sy ny firongony ... ka hatramin’ireo dahalo ambony latabatra mpangoron-karena sy mpivarotra tanindrazana, hoy ilay moana nahay niteny tampoka noho ny krizy mandetika lalina ny fahantrany.
E. R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.