Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 19 aogositra lasa teo ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa ho an’ny Parlemanta dia ny CST sy ny CT izany.
Misy ihany anefa ny fandinihana sy fandaniana volavolan-dalàna mbola tsy vita koa dia hiditra amin’ny fivorana tsy ara-potoana fahatelo indray manomboka anio. Voafetra ho 8 andro ity ny fivoriana tsy ara-potoana iray ity, ho dinihana mandritra izany ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka sy ny resaka famihavanam-pirenena, izay tena mafampana ny adihevitra momba azy. Fa eo ihany koa ny lalàna momba ny fifidianana satria raha ny eritreritry ny governemanta dia atao vonona avokoa aloha ny didy aman-dalàna rehetra momba ireo fifidianana tokony hatao, dia ampiharina fotsiny araka izay fifidianana mitranga eo izany.
Fa na dia eo aza izany kipitsopitsony ara-teknika sy araka ny lalàna tsy maintsy arahana izany dia mahatalanjona ny maro ihany fa toa mivoaka miditra ity fivorian’ny CT sy ny CST ity, ny tambin-karama amin’izany mitomboka foana, ny olon-tsotra iray tafaresaka taminay moa dia tsy nisalasala mihitsy nanambara fa : «lazaina hoe maika ary tsy miandriandry izany ny raharaham-pirenena, ary atao ny fifidianana satria izay no vahaolana, mahagaga anefa fa toa ny mifanohitra amin’izany mihitsy no mitranga satria miitatra lava ny fivorian’ny Parlemanta, ary toa adihevitra tsy ahitam-bokatsoa ho an’ny firenena no mitranga ao raha ny fahitako azy. Rehefa tsy vita ilay izy dia tsy tokony be vava sy manome toky fotsiny. Tsy tokony hahagaga mihitsy raha mikatso ny raharaham-pirenena satria ny samy ao anatin’ny fitondrana aza atsy mifanara-tsaina tsara”. Tsara ho marihina fa 90 no mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita etsy Anosikely ary 250 kosa ny eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita eny Tsimbazaza.Misimisy ihany ny karama sy tambin-karama raisin’izy ireo isam-bolana, kanefa mahatsapa ny olon-tsotra miaina ny krizy isan’andro fa tsy mahavita araka ny tokony ho izy ny asany ireo mpikambana CT sy CST ireo fa tena migalabona amin’ny volam-bahoaka fotsiny.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.