Politique

CST Razafimahatradraibe Jean Emile «Lasa takalon’aina ny vahoaka ao Fandriana”


  • Alatsinainy 04 Jona 2012

Nandritra ny fanatanterahana ny tsenabe naharitra telo andro, tao Fandriana no nilazan’ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambony tetezamita (CST), Razafimahatradraibe Jean Emile, fa ny vahoaka ao Fandriana no mizaka ny tsy eran’ny aina amin’ny tsy firehetan’ny jiro vokatry ny tsy fandraisan’andraikitry ny mpitondra.

 Olana ara-teknika no tsy mampisy jiro ao Fandriana, hoy ity Cst ity, ary azo vahana tsara fa misy minisitra iray ao anaty governemanta itobian’ny antontan-taratasy fangatahana nataon’ny vahoaka momba ny jiro no fototry ny olana. Tsy mivory amin’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra io minisitra io ka tsy voaresaka ny jiro, olan’ny vahoaka ao Fandriana. Efa natao avokoa ny fifampiresahana rehetra, efa tonga any Fandriana ny milina hampihodina ny herinaratra saingy tsy zakan’ny Kaominina ny vidin-tsolika hampihodina azy satria mandany solika 50 litatra isaky ny adiny telo. Miaina amin’ny jiro labozia sy solika fandrehitra ary herinaratra azo avy amin’ny masoandro sy gropy madinika ny vahoaka tato anatin’ny dimy volana izao.

Nanao antso avo io ministera tokony hamaha ny olana mikasika ny barazy fandefasan-drano io ny CST Razafimahatradraibe Jean Emile fa lasa takalon’aina ny vahoaka ao Fandriana. Tsy hadinony ny nankasitraka ny ezaka nataon’ny mpitantana ny Kaominina ao Fandriana tamin’ireo ezaka fampandrosoana maro vita, naneho fahavononana hanampy hatrany ity Parlemantera ity.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT