Politique

CST Razafimahatradraibe Emile Melohina izay nanao heloka bevava


  • Zoma 17 Febroary 2012

Nahatsiaro ny nisian’ny tolona taona 2009 ka nanamarika izany tany Ambositra ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Razafimahatradraibe Emile.

 Tsy niatrika izany hetsika izany fotsiny anefa ny tenany fa nitafatafa tamin’ny vahoaka any an-toerana nahafahany nahalala ny zava-misy sy miseho. Resy lahatra ity CST ity fa tena nitolona ny vahoaka tao Ambositra noho ny fisian’ireo maritiora telo mianaka maty tao Antamponivinany ny 04 sy ny 06 Marsa 2009. Vahoaka niandrandra fiovana sy fampandrosoana vaovao ny vahoakan’Amoron’i Mania, hoy ity Parlemantera ity ka mendri-piderana sady tsy nataotao foana ny maha-tanàna faharoa nitolona an’Ambositra tamin’ireny fotoana ireny. Amin’ny maha-Parlemantera azy dia nanao tatitra tamin’ny vahoaka tao Ambositra tamin’ny haino aman-jery ny tenany nanazavàny ireo akon’ny fivoriana rehetra natao. Sambany rahateo ity CST ity no nanao izany fihetsika izany tamin’ny vahoaka. Andraikitry ny Parlemantera ny manatona ny vahoaka, hoy izy fa tsy mionona fotsiny amin’ny fivoriana tsy misy farany ao Antananarivo hahafahana mihaino ny hetahetam-bahoaka. Mikasika ny toe-draharaham-pirenena dia nambarany fa tsy azo ekena ny hanomezana famotsoran-keloka ireo olona nanao heloka bevava teto amin’ny firenena ka tokony homelohina. Mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita zanak’i Fisakàna Amoron’i Mania ity Parlemantera ity ka mahafantatra tsara ny mponina any an-toerana.
Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT