Politique

CST Ratsimaharivony Germain Izay mahasoa ny vahoaka no tokony hokatsahina


  • Alakamisy 02 Febroary 2012

Zava-dehibe ho an’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita avy any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ity ny fikatsahana izay hahasoa ny mponina any amin’ny Faritra niaviany.

 Fantatra izany nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tokony hojerena ny fomba hanampiana ny tantsaha, indrindra amin’ireo faritra izay tsy misy tetikasa toy ny any amin’ny PC23 sy ireo mpanao voly an-tanety, fa tsy ho variana fotsiny amin’izay misy tetikasa ny ministeran’ny fambolena, hoy izy. Tokony hiezaka ny ao amin’ny ministera hikaroka ny hanatsarana ny masomboly katsaka sy ny voanjo fa tsy hianona fotsiny amin’ny vary. Nambarany fa taona paika ny taom-pamokarana lasa teo iny ary dia tsy nisy fanomanana ihany koa ity taom-pambolena 2011-2012 ity. Mila manao ezaka ny tekinisianina, hoy izy, raha tiana ny hahitan’ny vahoaka fahombiazana. Ankoatra ny fanatsarana ny seha-pihariana momba ny famokaram-bary dia heverin’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity fa anisan’ny fikatsahana izay mahasoa ny vahoaka ny fanohanana ihany koa ireo fikambanam-behivavy mpanao asa tanana. Rehefa voatsinjo ireo, hoy Ratsimaharivony Germain, dia mandroso ny fiainan’ny fianakaviana iray. Miantso ny mpanao politika rehetra mba samy hahay hamantatra izay tena mahasoa ny vahoaka ity CST avy any Alaotra Mangoro ity.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT