Politique

CST Rasolofo Réné Efa be izay sonia natao izay saingy…


  • Talata 13 Septambra 2011

Miankina amin’ny fahasahiantsika mandray fanapahan-kevitra hentitra tsy misy fisalasalana intsony ny hoavin’ny firenena, hoy ny mpikambana eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita Rasolofo René, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao hisongadinan’ny resaka fanaovan-tsonia sori-dalana izao sy ny fahatongavan’ny solontenan’ny Troika eto an-toerana.

 Be loatra, hoy izy, izay sonia natao izay nefa tsy narahana fampiharana akory fa miandry lava izao. Ankehitriny, dia tsy afaka hiandry intsony isika, indrindra ireo izay misalasala lava toy ireo firenena mihevitra hanelanelana antsika izay hita soritra fa tsy mitovy hevitra intsony fa henontsika ireny indray ny filazana fa tsy hisy fanaovan-tsonia izany no ahatongavan-dry zareo ankehitriny fa fanohizana fanelanelanana ihany. Nomarihany koa anefa fa tsy midika ho fifaranan’ny krizy ny fahatanterahan’io sonia resahana lava io fa eo vao tena hiatrika ny fototry ny krizy isika, izay miankina amin’ny asa fanatanterahana azy izany. Betsaka mantsy ny zavatra tsy vitan’ny fanaovan-tsonia, hoy ny Rasolofo René fa miankina betsaka amin’ny fahafoizan-tenan’ireo izay tena hampiarin-doha marina ny firenena amin’ny alalan’ny fiasana ny fanatanterahana io sonia io.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT